Bokin'i Ezekiela 14:19
Ary raha mandefa ared-mandringana mamely izany tany izany Aho, sady aidiko aminy ny fahatezerako, dia amin’ ny fandatsahan-drà mba haharingana ny olona sy ny biby ao aminy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Ezekiela 14
Cross References
Deuteronomy 28:59dia hataon’ i Jehovah mahagaga ny kapoka hataony aminao sy ny zanakao, dia kapoka mafy sady maharitra ela ary faharariana mafy sady maharitra ela.
2 Samuel 24:15Ka dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely nony maraina ka hatramin’ ilay fotoana; ary dia nahafatesana fito alina ny olona hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba.
2 Chronicles 6:28Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
2 Chronicles 20:9Raha manjo anay ny loza, na sabatra, na famaliana, na areti-mandringana, na mosary, ary hitsangana manatrika ity trano ity sy eto anatrehanao izahay (fa ny anaranao no amin’ ity trano ity) ka hitaraina aminao amin’ ny fahorianay, dia hihaino Hianao ka hamonjy.
Psalms 91:6Na ny areti-mandringana mandeha amin’ ny maizina, Na ny fandringanana mandripaka amin’ ny mitataovovonana.