Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1:10
Ary Izy no nahafaka anay tamin’ izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 1
Cross References
1 Samuel 17:37Ary hoy koa Davida; Jehovah, Izay namonjy ahy tamin’ ny tanan’ ny liona sy ny bera, Izy no hamonjy ahy amin’ ny tanan’ io Filistina io. Dia hoy Saoly tamin’ i Davida; Mandehana, ary homba anao anie Jehovah.
Psalms 34:19Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
Acts 26:21Ary izany no nisamboran’ ny Jiosy ahy teo an-kianjan’ ny tempoly sy nitadiavany hahafaty ahy.
1 Timothy 4:10Fa izany no ikelezanay aina sy iezahanay, satria izahay manantena an’ Andriamanitra velona, Izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra fa izay mino.
2 Peter 2:9dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ ny fijaliana ho amin’ ny andro fitsarana,―