Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12:14
Indro, efa fanintelony izao no vonona hankatỳ aminareo aho, nefa tsy hahavaky tratra anareo; fa tsy ny fanananareo no tadiaviko, fa ianareo; fa tsy ny zanaka no tokony hihary ho an’ ny ray aman-dreniny, fa ny ray aman-dreniny no tokony hihary ho an’ ny zanany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12
Cross References
Genesis 31:14Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon’ ny rainay?
Proverbs 13:22Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny, Fa ny haren’ ny mpanota kosa voatahiry ho an’ ny marina.
Ezekiel 34:2Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
1 Corinthians 4:14Tsy ny hahamenatra anareo anefa no anoratako izany zavatra izany, fa mananatra anareo toy ny zanako malalako aho.
1 Corinthians 10:24Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
1 Corinthians 11:34Ary raha misy olona noana, aoka izy hihinana no an-tranony, mba tsy hiangonanareo ho fahamelohana. Ary ny zavatra sisa dia halahatro, rehefa tonga aho.