Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12:7
Ary fandrao hirehareha noho ny habetsaky ny fanambarana aho, dia nasiana tsilo tamin’ ny nofo, dia irak’ i Satana hamely ahy, fandrao hirehareha aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Izany no nangatahako intelo tamin’ ny Tompo, mba hialan’ izany amiko.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 12
Cross References
Genesis 32:25Dia Jakoba irery no sisa nitoetra teo; ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy ambara-pahazavaratsin’ ny andro.
Numbers 33:55Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ ny tany, dia ho lay amin’ ny masonareo sy ho tsilo amin’ ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin’ ny tany izay onenanareo izy;
Deuteronomy 17:20mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
2 Chronicles 26:16Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
2 Chronicles 32:31Nefa noho ny amin’ ny irak’ ireo mpanapaka tany Babylona, izay naniraka tany aminy mba hanontany ny amin’ ny zava-mahagaga natao teo amin’ ny tany, dia nilaozan’ Andriamanitra izy, mba hizahany toetra azy hahalalany izay rehetra ao am-pony.
Ezekiel 28:24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ ny taranak’ Isiraely, avy amin’ ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.