Bokin'i Josoa 1:9
Tsy efa nandidy anao va Aho? Koa mahereza sy matanjaha; aza matahotra na mivadi-po, fa momba anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra alehanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary Josoa nandidy ny mpifehy ka nanao hoe:
Cross References
Genesis 39:2Ary Jehovah nomba an’ i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon’ ilay Egyptiana tompony izy.
Deuteronomy 1:21indro, efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny tany; iakaro izy ka lovao, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao; aza matahotra na mivadi-po ianao.
Deuteronomy 31:7Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
Deuteronomy 31:28Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
Joshua 1:18Izay rehetra mandà ny didinao ka tsy mihaino ny teninao amin’ izay rehetra andidianao azy dia hatao maty; koa mahereza sy matanjaha ianao.
Joshua 6:27Ary Jehovah nomba an’ i Josoa, ka niely tamin’ ny tany rehetra ny lazany.