Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5:12
Tsy midera tena indray aminareo izahay, fa manome anareo izay ho reharehanareo ny aminay, mba hisy havalinareo izay mirehareha ny amin’ ny miseho ihany, fa tsy amin’ ny fo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Fa raha very saina izahay, dia ho an’ Andriamanitra; fa raha tsy very saina izahay, dia ho anareo.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5
Cross References
2 Corinthians 1:14toy ny efa fantapantatrareo ihany fa voninahitrareo izahay, dia tahaka anareo kosa no voninahitray amin’ ny andron’ i Jesosy Tompontsika.
2 Corinthians 6:4fa amin’ ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’ Andriamanitra izahay, dia amin’ ny faharetana be, amin’ ny fahoriana, amin’ ny fahaterena, amin’ ny fahantrana,
2 Corinthians 10:12Fa izahay tsy sahy hanao ny tenanay ho isan’ ny sasany izay midera tena, na hampitaha ny tenanay aminy; fa tsy hendry ireny, satria manohatra ny tenanay amin’ ny tenany sy mampitaha ny tenany amin’ ny tenanay.
2 Corinthians 11:12Fa izay ataoko no mbola hataoko ihany, mba hampitsaharako ny famelezan’ izay mitady hamely, mba ho hita fa tahaka anay ihany izay amin’ ny izay ireharehany.
2 Corinthians 12:11Efa tonga adala aho; ianareo no nahatery ahy; fa tokony hoderainareo aho, satria tsy latsaka noho ireo Apostoly ambony indrindra ireo, na dia tsinontsinona aza aho.