Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5:21
Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Numbers 7:45vantotr’ ombilahy iray, ondrilahy iray, zanak’ ondry iray izay iray taona, ho fanatitra dorana;
Isaiah 45:24Ao amin’ i Jehovah ihany no misy fahamarinana be sy hery, ka izy ihany no hohatonin’ ny olona, ary ho menatra izay rehetra tezitra aminy.
Isaiah 53:9Ary nokasaina hatao tao amin’ ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin’ ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Jeremiah 33:16Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
Daniel 9:26Ary rehefa afaka ny roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana; ary ny vahoaky ny mpanjaka izay ho avy dia handrava ny tanana sy ny fitoerana masìna; ary ny farany dia hisy safotra, ary hatramin’ ny farany dia hisy ady sy fandravana voatendry.
Luke 1:35Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.