Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 6:17
Koa mivoaha eo aminy ianareo, ka misaraha aminy, hoy Jehovah, Ary aza manendry izay zavatra tsy madio; Ary Izaho handray anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ary ho Rainareo Aho, ary ianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 6
Cross References
Numbers 16:26Dia niteny tamin’ ny fiangonana izy ka nanao hoe: Mialà amin’ ny lain’ ireo olon-dratsy ireo, ka aza mikasika izay azy akory, fandrao haringana koa ianareo noho ny fahotany rehetra.
Deuteronomy 14:6izay biby rehetra mivaky kitro, ka misaraka tsara ny kitrony sady mandinika, no ho fihinanareo.
Ezra 10:11Koa mitsora amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, ka ataovy ny sitrapony; ary misaraha amin’ ny olona tompon-tany sy ny vehivavy hafa firenena.
Proverbs 9:6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin’ ny lalan’ ny fahalalana.
Jeremiah 51:6Mandosira hiala an’ i Babylona ianareo, ary samia mamonjy ny ainareo avy; Aoka tsy ho voaringana noho ny fahotany ianareo; Fa izao no andro famalian’ i Jehovah, Izy no hamaly azy.
Acts 2:40Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.