Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 7:1
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra, na amin’ ny nofo, na amin’ ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 7
Cross References
2 Chronicles 19:9ka dia nandidy azy hoe: Izao no hataonareo amin’ ny fahatahorana an’ i Jehovah sy amin’ ny fahamarinana ary amin’ ny fo mahitsy:
Psalms 51:10Ampandreneso fifaliana sy faharavoravoana aho, hifalian’ ny taolana izay voavakivakinao.
Proverbs 8:13Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an’ i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
Proverbs 20:9Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
Isaiah 1:16Misasà ianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy;
Jeremiah 4:14Ry Jerosalema, sasao ny fonao ho afaka amin’ ny ratsy, mba hovonjena ianao! Mandra-pahoviana no hitoeran’ ny hevi-dratsinao ao am-ponao?