Bokin'ny Ohabolana 20:9
Iza no mahazo manao hoe: Efa nahadio ny foko aho Ka madio tsy manana ota?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Who can say, I have made my heart clean, I am pure from my sin?
In Context
10Ny vato mizana samy hafa sy ny vata famarana samy hafa Dia samy fahavetavetana eo imason’ i Jehovah.
Read all of Bokin'ny Ohabolana 20
Cross References
1 Kings 8:46Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
Job 14:4Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
Job 25:4Ary aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
Ecclesiastes 7:20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
James 3:2Fa tafintohina amin’ ny zavatra maro isika rehetra. Raha misy olona tsy mba tafintohina amin’ ny teny, dia izy no lehilahy tanteraka ka mahafehy ny tenany rehetra koa.