Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 8:5
ary tsy araka ny nantenainay, fa ny tenany no natolony ho an’ ny Tompo aloha, dia ho anay koa noho ny sitrapon’ Andriamanitra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 8
Cross References
1 Samuel 1:28Koa atolotro ho an’ i Jehovah kosa izy: eny, amin’ ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an’ i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy.
2 Chronicles 30:8Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ ny razanareo, fa atolory an’ i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin’ ny fitoerany masìna, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’ i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra.
Isaiah 44:3Fa handatsaka rano amin’ izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin’ izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin’ ny terakao;
Zechariah 13:9Ary ho entiko miditra amin’ ny afo ny ampahatelony, ary harendrika toy ny fandrendrika volafotsy izy, ary hizahako toetra toy ny fizaha toetra ny volamena izy; hiantso ny anarako izy, ary Izaho hamaly azy; Izaho hanao hoe: Oloko izy ary izy hanao hoe: Jehovah no Andriamanitro.
Romans 12:1Koa amin’ izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon’ Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masìna, sitrak’ Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.
1 Corinthians 6:19Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin’ ny Fanahy Masìna, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin’ Andriamanitra? ka tsy tompon’ ny tenanareo ianareo.