Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 8:19
ary tsy izany ihany, fa efa notendren’ ny fiangonana koa izy ho namanay hiara-mandeha aminay hitondra izao fahasoavana izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tompo sy ho vavolombelon’ ny fahazotoanay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary mitandrina izahay mba tsy hisy hanome tsiny anay amin’ izao harena be angoninay izao;
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 8
Cross References
Acts 15:22Ary sitraky ny Apostoly sy ny loholona mbamin’ ny fiangonana rehetra ny hifidy olona amin’ ny namany mba hirahina hiaraka amin’ i Paoly sy Barnabasy hankany Antiokia, dia Joda, izay atao hoe Barnabasy, sy Silasy, izay lehilahy samy tsara laza eo amin’ ny rahalahy;
1 Corinthians 16:3Ary rehefa tonga aho, dia izay sitrakareo no hirahiko hitondra taratasy hanatitra ny fiantranareo ho any Jerosalema.
2 Corinthians 4:15Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan’ ny fisaorana ho voninahitr’ Andriamanitra noho ny fitombon’ ny fahasoavana amin’ ny maro.
2 Corinthians 8:6ka dia nangataka an’ i Titosy izahay mba hahatanteraka izany fahasoavana izany eo aminareo koa, araka ny efa nanombohany azy teo aloha.
2 Corinthians 9:12Fa ny fanaovana izany fanompoam-pivavahana izany dia tsy mahafaka ny alahelon’ ny olona masìna ihany, fa mahabe ny fisaoran’ ny maro an’ Andriamanitra koa,
1 Peter 4:10Samia mifanompo araka ny fanomezam-pahasoavana izay noraisinareo, dia tahaka ny mpitandrina tsara ny fahasoavana maro samy hafa izay an’ Andriamanitra.