Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9:8
Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo, mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ ny zavatra rehetra, ka hitombo amin’ ny asa tsara rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9
Cross References
2 Chronicles 25:9Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
Proverbs 3:9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;
Proverbs 11:24Misy mahafoy, nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, nefa tonga malahelo ihany.
Haggai 2:8Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Acts 9:36Ary tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita, izany hoe, raha adika, Dorkasy; ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’ izany vehivavy izany.
2 Corinthians 8:2fa tamin’ ny fahoriana be nizahan-toetra azy no nitomboan’ ny hafaliany, ary ny hamafin’ ny fahantrany no nampitombo ny hitsim-pony.