Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9:7
Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ ny fony avy, tsy amin’ ny alahelo, na amin’ ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ ny fifaliana no tian’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Exodus 25:2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely mba hitondra fanatitra ho Ahy izy; dia avy amin’ ny olona rehetra izay amporisihin’ ny fony no handraisanareo ny fanatitra ho Ahy.
Deuteronomy 15:7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Proverbs 22:9Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an’ ny malahelo ny haniny.
Isaiah 32:5Ny adala tsy holazaina intsony hoe mitoetr’ andriana, ary ny mpifetsy tsy holazaina hoe mahafoy be.
Acts 20:35Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.