Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:28
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
29Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Deuteronomy 18:20Fa ny mpaminany izay sahy hilaza teny amin’ ny anarako, nefa tsy nasaiko nolazainy, na izay miteny amin’ ny anaran’ andriamani-kafa, dia hatao maty.
1 Kings 18:21Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
2 Kings 1:10Fa Elia namaly ka nanao tamin’ ny mpifehy dimam-polo hoe: Raha lehilahin’ Andriamanitra tokoa aho, dia aoka hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona anao sy ny dimam-polo fehinao. Ary dia nisy afo nilatsaka avy tany an-danitra ka nandevona azy mbamin’ ny dimam-polo fehiny.
2 Chronicles 18:27Fa hoy Mikaia: Raha tahìny ho tafaverina soa aman-tsara ianao, dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany, ry firenena rehetra.
Jeremiah 28:7Kanefa kosa mba henoinao izao teny izao, izay holazaiko eto anatrehanao sy ny vahoaka rehetra:
Amos 3:1Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io: