Boky voalohan'ny Tantara 1:15
Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 1
Cross References
1 Kings 18:15Fa hoy Elia: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, dia hiseho aminy tokoa aho anio.
Psalms 27:1Nataon’ i Davida. Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ ny aiko; iza no hangovitako?
Jeremiah 1:17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Ezekiel 2:6Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
Hebrews 11:27Finoana no nandaovany an’ i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ ny mpanjaka; fa naharitra toy ny mahita Izay tsy hita izy.