Bokin'i Ezekiela 2:6
Ary ianao, ry zanak’ olona, aza matahotra azy, ary aza matahotra ny teniny, na dia voakasiky ny amiana sy ny tsilo aza ianao, ary na dia eo amin’ ny maingoka aza no ipetrahanao; eny, aza matahotra ny fiteniny, ary aza mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary holazainao aminy ihany ny amiko, na hihaino izy na tsy hihaino, fa tena naditra izy.
Read all of Bokin'i Ezekiela 2
Cross References
2 Kings 1:15Ary hoy Ilay Anjelin’ i Jehovah tamin’ i Elia: Midìna ihany hiaraka aminy ianao; fa aza matahotra azy. Ary dia niainga izy ka nidina niaraka taminy ho any amin’ ny mpanjaka.
Isaiah 9:18Noho ny fahatezeran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia efa maintin’ ny afo ny tany, ary ny olona dia tahaka ny kitay atohoka amin’ ny afo; Tsy misy olona miantra ny rahalahiny
Isaiah 51:12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
Jeremiah 1:17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Jeremiah 18:18Dia hoy ny olona: Andeha isika hihevitra izay hamelezana an’ i Jeremia; fa tsy ho tapaka tsy akory ny lalàna avy amin’ ny mpisorona, na ny saina avy amin’ ny hendry, na ny teny avy amin’ ny mpaminany. Aoka ny vavantsika ho enti-mamely azy, ary aoka tsy hohenointsika akory izay teniny.
Ezekiel 3:9Ataoko toy ny diamondra ny handrinao, eny, mafy noho ny vatolampy aza; ka aza matahotra azy na mivadi-po noho ny tarehiny, fa taranaka maditra izy.