Boky voalohan'ny Tantara 11:14
Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana toy ny fanao, ary ny andriandahy sy ny mpitsoka trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra nifaly sady nampaneno ny trompetra; dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 11
Cross References
Genesis 44:13Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin’ ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
1 Kings 1:25Fa he! izy nidina androany ary namono omby sy zanak’ omby mifahy sy ondry aman’ osy betsaka ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra sy ny komandin’ ny miaramila sy Abiatara mpisorona; ary indreo izy mihinana ny misotro eo anatrehany ka manao hoe: Ho ela velona anie Adonia mpanjaka!
1 Kings 18:17Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
2 Kings 9:23Ary Jorama nampihodina ka nandositra sady niteny tamin’ i Ahazia hoe: Misy fitaka, ry Ahazia.
2 Kings 11:10Ary ny kapiteny nomen’ ilay mpisorona ny lefona sy ampingan’ i Davida mpanjaka izay tao an-tranon’ i Jehovah.
1 Chronicles 12:40Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.