Boky voalohan'ny Tantara 11:19
Ary nalainy ny kapiteny sy ny anjolofo sy ny mpiambina mbamin’ ny vahoaka rehetra ary nentina nidina avy tao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ka teo am-bavahadin’ ny mpiambina no nalehany hankao an-tranon’ ny mpanjaka. Ary nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ ny mpanjaka izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 11
Cross References
1 Kings 14:27Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy teo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka
1 Chronicles 29:23Ary Solomona dia nipetraka tamin’ ny seza fiandrianan’ i Jehovah ho mpanjaka handimby an’ i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
2 Chronicles 23:19Ary nalatsany teo am-bavahadin’ ny tranon’ i Jehovah ny mpiandry varavarana mba tsy hisy zavatra maloto na inona na inona ho tafiditra ao.
Jeremiah 22:4Fa raha mankatò izany teny izany tokoa ianareo, dia hisy mpanjaka mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida hiditra amin’ ity vavahady ity mitaingin-kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanompony ary ny vahoakany.
Matthew 19:28Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa rehefa mby amin’ ny fanavaozana, ka hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny ny Zanak’ olona, ianareo koa, izay nanaraka Ahy, dia hipetraka amin’ ny seza fiandrianana roa ambin’ ny folo ka hitsara ny firenen’ isiraely roa ambin’ ny folo.