Boky voalohan'ny Tantara 14:10
Efa namely an’ i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 14
Cross References
Exodus 8:9Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha.
Judges 9:52Ary Abimeleka nankany amin’ ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran’ ny tilikambo izy handoro azy amin’ ny afo.
2 Chronicles 26:16Ary nony nahery izy, dia niavonavona ny fony, ka nanao izay ratsy izy, fa nivadika tamin’ i Jehovah Andriamaniny ka niditra tao amin’ ny tempolin’ i Jehovah handoro ditin-kazo manitra teo amln’ ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.
2 Chronicles 35:21Fa Neko naniraka olona ho any aminy hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, ry mpanjakan’ ny Joda? Tsy ady aminao izao anio izao, fa amin’ ny fahavaloko, sady nasain’ Andriamanitra handeha faingana aho; koa aza manohitra an’ Andriamanitra Izay momba ahy, fandrao matiny ianao.
Proverbs 15:18Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
Proverbs 17:14Ny fiandohan’ ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra.