Boky voalohan'ny Tantara 14:16
Ary Joasy lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 14
Cross References
1 Kings 1:21Fa rehefa lasa modi-mandry any amin’ ny razany ny mpanjaka tompoko, dia izaho sy Solomona zanako no atao meloka.
2 Kings 13:12Ary ny tantaran’ i Joasy sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
2 Kings 14:23Tamin’ ny taona fahadimy ambin’ ny folo nanjakan’ i Amazia, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Samaria, ary nanjaka iraika amby efa-polo taona izy.
Hosea 1:1Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Hosea, zanak’ i Bery, tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andron’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely.
Amos 7:10Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,