Boky voalohan'ny Tantara 17:31
ary ny Avita nanao an’ i Nibaza sy Tartaka; ary ny Sefarvita nandoro ny zanany tamin’ ny afo ho an’ i Adrameleka Anameleka, andriamanitr’ i Sefarvaima.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 17
Cross References
Leviticus 18:21Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
Deuteronomy 12:31Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
2 Kings 17:24Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra olona avy tany Babylona sy Kota sy Ava sy Hamata sy Sefarvaima ka namponina azy teny amin’ ny tanànan’ i Samaria nisolo ny Zanak’ Isiraely; dia nahazo an’ i Samaria ireny ka nitoetra teny amin’ ny tanànany.
Ezra 4:9Rehoma mpanolo-tsaina sy Simsay mpanoratra ary ny namany sisa, dia ny Dinaïta, ny Afarsatkita, ny Tarpelita, ny Afarsaïta, ny Arkevita, ny Babyloniana, ny Sosanita, ny Dehavita sy ny Elamita,