Boky voalohan'ny Tantara 17:8
ka nandeha araka ny fanaon’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely sy araka ny didy izay nataon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 17
Cross References
Exodus 23:24Aza miankohoka eo anatrehan’ ny andriamanitr’ ireny ianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.
Leviticus 18:27(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
Deuteronomy 12:30dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
1 Kings 12:28Dia nihevitra ny mpanjaka ka nanao ombilahy kely volamena roa; ary hoy izy tamin’ ny olona: “Aoka izay ny fiakaranareo any Jerosalema! Ry Isiraely ô” indreo ny andriamanitrao, izay nitondra anao nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
1 Kings 21:26Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ ny Amorita, izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 16:10Ary nandeha Ahaza mpanjaka hitsena an’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, any Damaskosy; ary nony nahita ny alitara tao Damaskosy izy, dia nampitondra ny mariky ny alitara sy ny sariny araka ny fombany rehetra ho any amin’ i Oria mpisorona.