Boky voalohan'ny Tantara 19:15
Ary Hezekia nivavaka teo anatrehan’ i Jehovah nanao hoe: Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, Izay mipetraka amin’ ny kerobima, Hianao dia Hianao irery ihany no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ ny tany, fa Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 19
Cross References
Genesis 1:1Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
Genesis 32:28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Exodus 25:22Ary ao no hihaona aminao Aho, ka ao ambonin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no hitenenako aminao, dia ao anelanelan’ ny kerobima roa, izay eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ka holazaiko izay rehetra handidiako anao holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Samuel 7:18Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
1 Kings 18:39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
1 Chronicles 4:10Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.