Boky voalohan'ny Tantara 19:16
Atongilano ny sofinao, Jehovah ô, ka mihainoa; ahirato ny masonao, Jehovah ô, ka mijere, ary mandrenesa ny tenin’ i Sankeriba, izay nampitondrainy hihaika an’ Andriamanitra velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Jehovah ô, marina ihany tokoa fa ireo mpanjakan’ i Asyria dia efa nandrava ny jentilisa sy ny taniny
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 19
Cross References
1 Kings 8:29mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
2 Chronicles 6:40Ankehitriny, ry Andriamanitro ô, mifona aminao aho, aoka hihiratra ny masonao, an aoka ny sofinao hihaino ny vavaka atao amin’ ity fitoerana ity.
Psalms 74:22Mitsangàna, Andriamanitra ô, efao ny adinao; tsarovy ny fanaratsian’ ny adala Anao isan’ andro.
Isaiah 37:4Angamba ho ren’ i Jehovah Andriamanitrao ny tenin-dRabsake, izay nirahin’ ny mpanjakan’ i Asyria tompony hihaika an’ Andriamanitra velona, ka mba hovaliany izy noho ny teny izay efa ren’ i Jehovah Andriamanitrao; koa aingao ny fivavakao hamonjy izay mbola sisa.
Daniel 9:18Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin’ ny anaranao; fa tsy amin’ ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ ny halehiben’ ny indrafonao.