Boky voalohan'ny Tantara 21:5
Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he built altars for all the host of heaven in the two courts of the house of the LORD.
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 21
Cross References
1 Kings 6:36Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy.
2 Kings 23:4Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Hilkia mpisoronabe sy ireo mpisorona manarakaraka ary ny mpiandry varavarana hamoaka ny fanaka rehetra izay natao ho an’ i Bala sy Astarta ary ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra hiala amin’ ny tempolin’ i Jehovah; ka nodorany tany ivelan’ i Jerosalema teny amin’ ny saha amoron’ i Kidrona ireny, ary nentiny ho any Betela ny vovony.
2 Kings 23:12Ary ireo alitara teo an-tampon-trano ambony amin’ ny tranon’ i Ahaza, izay nataon’ ireo mpanjakan’ ny Joda, sy ny alitara izay nataon’ i Manase tao anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah, dia noravan’ ny mpanjaka ka notorotoroiny, dia nafafiny tany amin’ ny lohasahan-driaka Kidrona ny vovony.
2 Chronicles 33:5Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
Ezekiel 8:16Dia nentiny ho eo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ i Jehovah aho, ary, indro, teo am-baravaran’ ny tempolin’ i Jehovah, dia teo anelanelan’ ny lavarangana fidirana sy ny alitara, dia nisy tokony ho dimy amby roa-polo lahy niamboho ny tempolin’ i Jehovah ka nanatrika ny atsinanana; ary ireo dia niankohoka manandrify ny masoandro, nanatrika ny atsinanana.
Ezekiel 40:32Dia nentiny niantsinanana aho ho any amin’ ny kianja anatiny, dia norefesiny ny vavahady, ka araka ireo ohatra ireo ihany koa.