Boky voalohan'ny Tantara 24:8
Valo ambin’ ny folo taona Joiakina, fony izy vao nanjaka, ary telo volana no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Nehosta, zanakavavin’ i Elnatana, avy any Jerosalema.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon-drainy.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 24
Cross References
1 Chronicles 3:16Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
Jeremiah 22:24Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
Jeremiah 24:1Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
Matthew 1:11ary Josia niteraka an’ i Jekonia mirahalahy avy, tamin’ ny nifindrana tany Babylona.