Bokin'i Jeremia 22:24
Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, na dia ho peratra fanombohan-kase amin’ ny tanako ankavanana aza ianao, ry Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia hotsoahako hiala eo ianao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 22
Cross References
2 Kings 24:6Ary Joiakima lasa nodimandry any amin’ ny razany, ka Joiakina zanany no nanjaka nandimby azy.
1 Chronicles 3:16Ary ny zanakalahin’ i Joiakima dia Jekonia, ary Zedekia no zanak’ i Jekonia.
Song of Solomon 8:6Ataovy toy ny fanombohan-kase ao am-ponao aho sy toy ny fanombohan-kase eo an-tsandrinao; Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, masiaka tahaka ny fiainan-tsi-hita ny fahasaro-piaro; Ny lelafony dia lelafo midedadeda, eny, lelafon’ i Jehovah.
Jeremiah 22:6Fa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny mpianakaviny: Tahaka an’ i Gileada sy ny tampon’ i Libanona amiko ianao, nefa hataoko tonga efitra sy tanàna tsy onenana.
Jeremiah 24:1Jehovah naneho tamiko, ka, indreo, nisy aviavy roa sobiky voapetraka teo anoloan’ ny tempolin’ i Jehovah, taorian’ ny nitondran’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, an’ i Jekonia, zanak’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanapaka ny Joda mbamin’ ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy vy izay tany Jerosalema, ho babo ho any Babylona.
Haggai 2:23Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia horaisiko ianao, ry Zerobabela mpanompoko, zanak’ i Sealtiela, hoy Jehovah, ka hataoko toy ny fanombohan-kase ianao; fa efa nifidy anao Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.