The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Mpitsara › Bokin'ny Mpitsara 20 › Bokin'ny Mpitsara 20:26

Bokin'ny Mpitsara 20:26

Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then all the children of Israel, and all the people, went up, and came unto the house of God, and wept, and sat there before the LORD, and fasted that day until even, and offered burnt offerings and peace offerings before the LORD.

In Context

25Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin’ ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak’ Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin’ ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.

27Dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely (fa tao ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany,

Read all of Bokin'ny Mpitsara 20

Cross References

Joshua 7:6Dia notriarin’ i Josoa ny fitafiany, ka niankohoka tamin’ ny tany teo anoloan’ ny fiaran’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro izy sy ny loholon’ ny Isiraely, sady nasiany vovoka ny lohany.

Judges 20:18Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.

Judges 21:2Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan’ Andriamanitra mandra-paharivan’ ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy

1 Samuel 7:6Dia nivory tany Mizpa izy ary nanovo rano ka nandraraka izany teo anatrehan’ i Jehovah, sady nifady hanina tamin’ izany andro izany izy ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah isika. Ary Samoela nitsara ny Zanak’ Isiraely tany Mizpa.

2 Chronicles 20:3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.

Ezra 9:4Dia nivory teo amiko izay rehetra nangovitra noho ny tenin’ Andriamanitry ny Isiraely ny amin’ ny fahadisoan’ ny olona izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana; ary izaho mbola nipetraka tahaka ilay torana iny ihany hatramin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Mpitsara 20:26

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Mpitsara 20:25Bokin'ny Mpitsara 20Bokin'ny Mpitsara 20:27 →