Boky voalohan'ny Tantara 3:25
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 3
Cross References
Genesis 26:18Dia noloaran’ Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’ i Abrahama rainy, fa efa novonoin’ ny Filistina ireny, rehefa maty Abrahama; ary dia nasiany anarana ireny araka ny anarana izay efa nanaovan-drainy azy ihany.
Deuteronomy 20:19Raha hataonao fahirano ela ny tanàna izay tafihinao halaina, dia aza simbana kapaina amin’ ny famaky ny hazo eo; fa hisy hohaninao amin’ ireo, koa aza kapaina, fa olona va ny hazo any an-tsaha, no hataonao fahirano?
2 Samuel 8:2Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin’ ny tany ireo ary nohariny tamin’ ny kofehy, ka izay indroan’ ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon’ i Davida ny Moabita ka nandoa hetra.
2 Chronicles 32:4Dia nivory ny olona maro ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mamaky eo afovoan’ ny tany, fa hoy izy: Nahoana no avela hahita rano be ny mpanjakan’ i Asyria, raha avy?
Isaiah 16:7Ary noho izany dia ho indray midradradradra Moaba, eny, samy hidradradradra avokoa izy rehetra; Fa hitomany ny ampempam-boalobok’ i Kira-haresa ianareo ka ho ory indrindra.
Isaiah 37:26Tsy mbola renao va, hoy Jehovah, fa hatry ny fony ela no nanomanako izany, ary hatramin’ ny andro taloha no nikasako izany? Ankehitriny dia efa nahatanteraka izany Aho ka dia nandrava tanàna mimanda ho tonga korontam-bato.