Boky voalohan'ny Tantara 4:16
Dia hoy izy: Raha mby amin’ ny fotoana, raha avy ny taona toy izao, dia hitrotro zazalahy ianao. Ary hoy ravehivavy: Tsia, ry tompoko, lehilahin’ Andriamanitra, aza mandainga amin’ ny ankizivavinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary hoy Elisa: Antsoy ary izy. Ary nony nantsoiny izy, dia nitsangana teo am-baravarana.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 4
Cross References
Genesis 17:16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy.
Genesis 18:10Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ ny lay, izay teo ivohon’ Ilay niteny.
Genesis 18:14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.
1 Kings 17:24Ary hoy ravehivavy tamin’ i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin’ Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin’ i Jehovah aloaky ny vavanao.
2 Kings 2:19Ary hoy ny mponina tao amin’ izany tanàna izany tamin’ i Elisa: Masìna ianao, indro, tsara toerana ity tanàna ity, tompoko, araka izao hitanao izao, saingy ratsy rano, ary ny tany tsy mampahavanon’ anaka.
2 Kings 5:10Ary Elisa naniraka olona tany aminy hilaza hoe: Mandehana, mandroa impito ao Jordana, dia hody aminao indray ny nofonao, ka hadio ianao.