Bokin'ny Genesisy 18:10
Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ ny lay, izay teo ivohon’ Ilay niteny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Genesisy 18
Cross References
Genesis 17:16Ary hitahy azy Aho ka hampanana azy zazalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho, ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ ny firenena maro avy aminy.
Genesis 17:21Nefa ny fanekeko haoriko amin’ Isaka, izay haterak’ i Saraha aminao raha avy ny taona toy izao.
Genesis 21:2Dia nanan’ anaka Saraha ka niteraka zazalahy tamin’ i Abrahama, rehefa antitra izy, tamin’ ny fotoana izay efa nolazain’ Andriamanitra taminy.
Judges 13:3Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan’ anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
Luke 1:13Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
Galatians 4:23Kanefa ilay tamin’ ny andevovavy dia nateraka araka ny nofo; fa ilay tamin’ ny tsy andevo kosa dia nateraka tamin’ ny teny fikasana.