Boky voalohan'ny Tantara 6:1
Ary hoy ireo zanaky ny mpaminany tamin’ i Elisa: Indro, tsy omby anay ny toerana izay itoeranay eto aminao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 6
Cross References
Joshua 17:14Dia niteny tamin’ i Josoa ny taranak’ i Josefa ka nanao hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa aho efa tonga firenena lehibe, fa notahin’ Jehovah toy izao mandraka ankehitriny?
1 Samuel 19:20Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
2 Kings 2:3Ary nivoaka nankany amin’ i Elisa ireo zanaky ny mpaminany izay tao Betela ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa anio no hangalan’ i Jehovah ny tomponao hiala ho any ambonin’ ny lohanao? Dia hoy izy: Eny, fantatro ihany koa izany, fa mangìna ianareo.
2 Kings 2:7Ary nisy dimam-polo lahy, zanaky ny mpaminany, nandeha, dia nijanona tandrifiny teny lavitra eny; fa izy roa lahy kosa nitsangana teo amoron’ i Jordana.
2 Kings 4:1Ary nisy vehivavy anankiray, vadin’ ny zanaky ny mpaminany, nitaraina tamin’ i Elisa hoe: Maty ny vadiko mpanomponao; ary ianao mahalala fa natahotra an’ i Jehovah ny mpanomponao; nefa tonga ny tompo-trosa haka ny zanako mirahalahy ho andevony
Job 36:16Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.