Boky voalohan'ny Tantara 7:16
Dia nivoaka ny olona ka namabo ny tobin’ ny Syriana. Koa ny koba tsara toto eran’ ny famarana, dia sekely iray monja no vidiny, ary ny vary hordea indroan’ ny famarana, dia sekely iray ihany koa ny vidiny, araka ny tenin’ i Jehovah.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 7
Cross References
Numbers 23:19Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak’ olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
2 Kings 7:1Fa hoy kosa Elisa: Mihainoa ny tenin’ i Jehovah ianareo: Izao no lazain’ i Jehovah: Rahampitso toy izao dia ho sekely iray ny vidin’ ny koba tsara toto eran’ ny famarana, ary ho sekely iray koa ny vidin’ ny vary hordea indroan’ ny famarana ao am-bavahadin’ i Samaria.
2 Chronicles 20:25Ary avy hamabo azy Josafata sy ny vahoakany, dia nahita harena betsaka sy faty ary fanaka sarobidy teo izy, ka dia namabo mihoatra noho izay zakany ho entina; ary hateloana no nanangonany ny babo, fa be dia be ireny.
Psalms 68:12Ny Tompo manome ny teny; ary ny vehivavy mpilaza soa dia antokony lehibe.
Isaiah 33:1Lozanao, ry ilay mandroba, nefa tsy norobaina ianao! Ary mamitaka, nefa tsy nofitahina ianao! Rehefa mitsahatra ny mandrava ianao, dia vao horavana kosa; Ary rehefa mitsahatra ny mamitaka ianao, dia vao hofitahina kosa.
Isaiah 33:23Mivaha ny mahazakan-tsambonao; Tsy mahahazona mafy ny fiorenan’ andry izy, na mahavelatra ny lay; Fa amin’ izay kosa dia hozaraina ny zavatra be voababo; Na dia ny mandringa aza dia mba hahazo babo ihany.