Boky voalohan'ny Tantara 7:15
Dia nandeha nanaraka azy hatrany Jordana ireo; ary, indreny, ny lalambe rehetra feno fitafiana sy fanaka izay efa narian’ ny Syriana, raha nandositra tamin’ ny fahatairana izy. Ary ny iraka niverina ka nilaza tamin’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 7
Cross References
Esther 1:7Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.
Ecclesiastes 3:6Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
Isaiah 10:3Ary ahoana no hataonareo amin’ ny andro famaliana sy amin’ ny fandravana izay avy amin’ ny lavitra? Ho any amin’ iza no handosiranareo hamonjy anareo? Ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?
Isaiah 31:7Fa amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona rehetra ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany, izay fahotana nataon’ ny tananareo.
Matthew 16:26Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Philippians 3:7Nefa izay azoko ho tombony dia nataoko fatiantoka kosa noho ny amin’ i Kristy.