Boky voalohan'ny Tantara 8:1
Ary Elisa efa niteny tamin-dravehivavy, renin’ ilay zaza maty novelominy, ka nanao hoe: Miaingà, ka mandehana ianao sy ny ankohonanao, ary mivahinia any amin’ izay azonao hivahiniana; fa Jehovah efa niantso ny mosary, sady efa ho tonga izany ka haharitra fito taona amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 8
Cross References
Genesis 26:1Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.
Genesis 41:27Ary ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia fito taona; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady main’ ny rivotra avy any atsinanana, dia ho fito taona mosarena.
Genesis 47:4Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
Leviticus 26:26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Deuteronomy 28:38Voan-javatra betsaka no ho entinao hambolena any an-tsaha, fa kely kosa no hangoninao, satria ho lanin’ ny valala ireny.
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.