Boky voalohan'ny Mpanjaka 21:1
Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 21
Cross References
Genesis 26:1Ary nisy mosary indray teo amin’ ny tany afa-tsy ilay mosary voalohany fony fahavelon’ i Abrahama. Ary Isaka nankany amin’ i Abimeleka mpanjakan’ ny Filistina, tany Gerara.
Genesis 43:1Ary mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
Leviticus 26:26Raha tapahiko ny vary, izay tohan’ ainareo, dia fanendasa-mofo iray ihany no hanendasan’ ny vehivavy folo ny mofonareo, ary an-danjany no hizarany azy, dia hihinana ianareo, fa tsy ho voky.
Joshua 7:1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Joshua 9:20Fa izao no hataontsika aminy: Havelantsika ho velona ihany izy, fandrao hisy fahatezerana mahatratra antsika noho ny fianianana nataontsika taminy.
1 Samuel 10:22Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.