Boky voalohan'ny Tantara 8:12
Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin’ ny Zanak’ Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin’ ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin’ Andriamanitra.
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 8
Cross References
1 Kings 18:13Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ ilay namonoan’ i Jezebela ny mpaminanin’ i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin’ i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
2 Kings 10:32Tamin’ izany andro izany no niantombohan’ ny nanakelezan’ i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin’ ny sisin-tanin’ ny Isiraely rehetra
2 Kings 12:18Ary tamin’ izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan’ i Syria, ary namely an’ i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an’ i Jerosalema koa izy.
2 Kings 13:7Fa tsy nisy sisa navelan’ i Jehovah ho an’ i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
2 Kings 15:16Tamin’ izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an’ i Tifsa mbamin’ izay rehetra tao hatramin’ ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany.
Isaiah 13:16Ary ny zanany madinika hotorotoroina eo imasony; Ny tranony hobaboina, ary ny vadiny hosavihina.