Boky voalohan'ny Tantara 8:9
Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin’ izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan’ i Syria, no naniraka ahy ho atỳ aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin’ izao aretiko izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 8
Cross References
1 Samuel 25:8Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin’ izay azon’ ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
1 Kings 19:15Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ ny nalehanao ho any amin’ ny efitr’ i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’ i Syria;
2 Kings 5:5Dia hoy ny mpanjakan’ i Syria: Andeha ary mandeha, fa hampitondra taratasy ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely aho. Dia lasa izy sady nitondra talenta volafotsy folo sy volamena enina arivo sekely ary akanjo im-polo miova teny an-tànany.
2 Kings 6:21Ary nony nahita azy ny mpanjakan’ ny Isiraely, dia hoy izy tamin’ i Elisa: Ry ikaky ô, hasiako va izy? Hasiako va izy?
2 Kings 16:7Ary Ahaza naniraka olona ho any amin’ i Tiglato-pilesera, mpanjakan’ i Asyria, hanao hoe: Mpanomponao sy zanakao aho; miakara, ka vonjeo aho tsy ho azon’ ny mpanjakan’ i Syria sy ny mpanjakan’ ny Isiraely, izay efa mitsangana hiady amiko.
Philemon 1:14nefa raha tsy nahalala izay hevitrao aho aloha, dia tsy ta-hanao na inona na inona, mba tsy ho toy ny amin’ ny fanerena ny soa ataonao, fa amin’ ny sitrapo.