Boky voalohan'ny Tantara 9:37
Ary ny fatiny ho toy ny zezika any an-tsaha, ny amin’ ny tany Jezirela, ka tsy hisy hahazo milaza hoe Jezebela ity.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 9
Cross References
Psalms 83:10Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an’ i Sisera sy Jabina teo amin’ ny ony Kisona;
Ecclesiastes 6:3Na dia misy miteraka zaza zato aza sady tratrantitra, ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa ny fanahiny, sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy izaho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
Jeremiah 8:2ka haeliny eo anatrehan’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana rehetra eny amin’ ny lanitra, izay efa tiany sy notompoiny sy efa narahiny sy efa notadiaviny ary efa niankohofany teo anatrehany: tsy hangonina na halevina intsony ireny, fa hatao zezika eny ambonin’ ny tany.
Jeremiah 16:4Ho fatin’ ny loza samy hafa izy, nefa tsy hisaonana na halevina, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany; ary ho lanin-tsabatra sy mosary izy, ka ho fihinan’ ny voro-manidina sy ny bibi-dia ny fatiny.
Jeremiah 25:33Ary amin’ izany andro izany Ny voavonon’ i Jehovah, dia hiampatrampatra hatramin’ ny faran’ ny tany anankiray ka hatramin’ ny farany koa; Tsy hisaonana, na hangonina, na halevina ireny, fa ho zezika eny ambonin’ ny tany.
Ezekiel 32:23Efa natao any am-paravodi-lavaka ny fasany, ary ny vahoakany maro be dia manodidina ny fasany; Voatrabaka izy rehetra, samy lavon’ ny sabatra, dia ireo izay nahatonga tahotra tany amin’ ny tanin’ ny velona.