Boky voalohan'ny Mpanjaka 15:14
Ary hoy Davida tamin’ ny mpanompony rehetra izay tao aminy tany Jerosalema: Mitsangàna, andeha isika handositra, fa tsy hisy hahafahantsika amin’ i Absaloma; andeha hiala faingana, fandrao tamy faingana izy, ka tratrany eto isika, dia hataony idiran-doza tampoka eto isika, ary hasiany amin’ ny lelan-tsabatra ny tanàna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 15
Cross References
2 Samuel 12:11Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao.
2 Samuel 19:10Ary ny vahoaka rehetra tamin’ ny firenen’ Isiraely nifanditra hoe: Ny mpanjaka no namonjy antsika tamin’ ny tanan’ ny fahavalontsika, indrindra fa tamin’ ny tanan’ ny Filistina; nefa ankehitriny dia efa nandositra niala tamin’ ny tany izy noho ny amin’ i Absaloma.
Psalms 3:1Salamo nataon’ i Davida, fony izy nandositra an’ i Absaloma zanany.
Psalms 55:3Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
Psalms 137:5Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino.
Matthew 11:12Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.