Boky voalohan'ny Mpanjaka 16:21
Dia hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Midìra ao amin’ ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren’ ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan’ izay rehetra momba anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary hoy Absaloma tamin’ i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 16
Cross References
Genesis 6:4Ny Nefilima nitoetra tambonin’ ny tany tamin’ izany andro izany, sy taorian’ izany koa, raha nivady tamin’ ny zanakavavin’ ny olona ny zanak’ Andriamanitra, ka niterahany; ireo no ilay olo-mahery hatrizay ela izay, dia ny lehilahy nanan-daza.
Genesis 35:22Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
Genesis 49:3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Leviticus 20:11Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
1 Samuel 27:12Ary Akisy nino an’ i Davida ka nanao hoe: Efa nampangidy hoditra ny tenany any amin’ ny Isiraely olony izy, ka dia ho mpanompoko mandrakizay.
2 Samuel 10:6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.