Bokin'ny Genesisy 49:3
Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin’ i Jakoba, eny, mihainoa an’ Isiraely rainareo:
Read all of Bokin'ny Genesisy 49
Cross References
Genesis 35:22Ary raha nonina teo amin’ izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin’ i Bila, vaditsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely.
Genesis 46:8Ary izao no anaran’ ny zanak’ Isiraely izay tonga tany Egypta, dia Jakoba sy ny zananilahy:
Numbers 1:20Ary tamin’ ny taranak’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, dia ny lehilahy rehetra hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izay azo nalefa hanafika,
Deuteronomy 21:17fa ny lahimatoa, zanak’ ilay tsy tiany ihany, no hekeny ka homeny anjaran-droa amin’ izay rehetra ananany; fa voalohan’ ainy izy, ka azy ny fizokiana.
Deuteronomy 33:6Aoka ho velona ROBENA, fa tsy ho faty, Nefa aoka ho vitsy olona izy.
1 Chronicles 5:1Ary ny zanakalahin’ i Robena, lahimatoan’ Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ ny zanak’ i Josefa, zanak’ Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ ny fitantaram-pirazanana ireo;