Boky voalohan'ny Mpanjaka 20:21
Tsy izany tsy akory; fa misy lehilahy avy amin’ ny tany havoan’ i Efraima, Seba no anarany, zanak’ i Bikry, izay efa nanainga tanana hikomy amin’ i Davida mpanjaka; koa izy ihany no atolory ahy, dia hiala amin’ ny tanàna aho. Ary hoy ravehivavy tamin’ i Joaba: Indro, ny lohany atsipy eny aminao eny ankoatry ny manda.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Ary Joaba namaly hoe: Sanatria dia sanatria amiko izay handripaka sy handringana.
Read all of Boky voalohan'ny Mpanjaka 20
Cross References
Joshua 24:33Dia maty koa Eleazara, zanak’ i Arona, ka naleviny teo amin’ ny havoan’ i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima.
Judges 7:24Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan’ i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midìna hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin’ ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
Judges 18:4Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon’ i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
1 Samuel 26:9Fa hoy Davida tamin’ i Abisay: Aza mamono azy; fa iza no maninjitra ny tànany tamin’ ny voahosotr’ i Jehovah ka tsy nanan-tsiny?
2 Samuel 20:1Ary sendra nisy lehilahy iray tena ratsy fanahy teo, Seba no anarany, zanak’ i Bikry Benjamita; ary nitsoka ny anjomara izy sady niantso hoe: Isika tsy manana anjara amin’ i Davida na lova amin’ ny zanak’ i Jese; samia mody any amin’ ny lainy avy, ry Isiraely ô.
2 Kings 5:22Ary hoy izy: Tsara ihany; kanefa ny tompoko naniraka ahy hilaza hoe: Indro ankehitriny misy zatovo roa lahy amin’ ny zanaky ny mpaminany tonga atỳ amiko avy any amin’ ny tany havoan’ i Efraima; koa masìna ianao, omeo talenta volafotsy sy fitafiana indroa miova izy.