Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 1:7
ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ ny anjelin’ ny heriny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6fa zavatra marina amin’ Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo,
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 1
Cross References
Matthew 5:10Sambatra izay enjehina noho ny fahamarinana; fa azy ny fanjakan’ ny lanitra.
Matthew 16:27Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Matthew 26:64Hoy Jesosy taminy: Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo amin’ ny tanana ankavanan’ ny Hery sy avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Mark 14:62Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
Luke 17:30Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.
John 1:51Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.