Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2:14
sady ho amin’ izany koa no niantsoany anareo tamin’ ny filazantsaranay hahazoanareo ny voninahitr’ i Jesosy Kristy Tompontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Whereunto he called you by our gospel, to the obtaining of the glory of our Lord Jesus Christ.
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Psalms 16:11Hampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao ankavanana mandrakizay.
John 14:2Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
John 17:24Ray ô, tiako mba ho any amiko amin’ izay itoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy; fa efa tia Ahy Hianao, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao.
Romans 8:17Ary raha zanaka, dia mpandova; eny, sady mpandova an’ Andriamanitra no mpiray lova amin’ i Kristy koa, raha miara-miaritra aminy isika mba hiara-manam-boninahitra aminy koa.
Romans 16:25Ary ho an’ izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola,
1 Thessalonians 1:5fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin’ ny teny ihany, fa tamin’ ny hery koa sy ny Fanahy Masìna ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo.