Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2:4
ilay manohitra ka manandra-tena ho ambony noho izay rehetra atao hoe Andriamanitra, na izay ivavahana, ka dia mipetraka eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitra izy ka manao ny tenany ho Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Ezekiel 28:2Ry zanak’ olona, lazao amin’ ny mpanjakan’ i Tyro hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao, ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin’ ny anankiray amin’ ny fipetrahan’ Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan’ ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon’ Andriamanitra aza ny fonao,
Ezekiel 28:9Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’ izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan’ izay manatrabaka anao
Daniel 7:25Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
Daniel 11:36Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; ary hisandratra sy hanandra-tena ho ambonin’ ny andriamanitra rehetra izy ka hiteny zavatra mahagaga ny amin’ Andriamanitry ny andriamanitra, ary hambinina ihany izy mandra-pahatanteraky ny fahatezerana; fa izay efa voatendry no tsy maintsy hatao.
1 Corinthians 8:5Fa na dia misy aza atao hoe andriamanitra, na any an-danitra, na etỳ an-tany (toy ny misy andriamanitra maro sy tompo maro);