Asan'ny Apostoly 16:13
Ary tamin’ ny andro Sabata dia nivoaka teo ivelan’ ny vavahady izahay nankeny amoron’ ony, izay nataonay fa nisy fitoerana fivavahana; ary nipetraka teo izahay ka niresaka tamin’ ny vehivavy vory teo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 16
Cross References
Matthew 13:2Ary nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy, dia niditra teo an-tsambokely Izy ka nipetraka; ary ny vahoaka rehetra kosa dia teny amoron-dranomasina.
Luke 4:20Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
John 8:2Ary nony maraina koa dia nankeo an-kianjan’ ny tempoly indray Jesosy, ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, dia nipetraka Izy ka nampianatra azy.
Acts 13:42Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.
Acts 17:2Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ ny Soratra Masìna tamin’ ny olona tao.
Acts 20:7Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.