Asan'ny Apostoly 20:7
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.
Read all of Asan'ny Apostoly 20
Cross References
Nehemiah 9:3Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Luke 22:19Ary nandray mofo Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy sady nataony hoe: Ity no tenako izay omena ho anareo; izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.
John 20:1Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
John 20:26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
Acts 2:46Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
Acts 20:11Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ ny andro izy, dia lasa nandeha.