Asan'ny Apostoly 17:28
fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Asan'ny Apostoly 17
Cross References
1 Samuel 25:29Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
Psalms 36:9Voky ny matavy ao an-tranonao izy; ary ny ony fampifalianao no ampisotroanao azy.
Daniel 5:23fa niavonavona tamin’ ny Tompon’ ny lanitra ianao; ary ny fanaky ny tranon’ Andriamanitra dia nentina eto anatrehanao, ary ianao sy ny mpanolo-tsainao sy ny vadinao mbamin’ ny vaditsindranonao nisotro divay taminy; ary ianao nankalaza ny andriamanitra volafotsy sy volamena sy varahina sy vy sy hazo ary vato, izay tsy mahita, na mandre, na mahalala; fa Andriamanitra Izay mitana ny ainao sady Tompon’ ny alehanao rehetra dia tsy mba nankalazainao.
Luke 20:38Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
John 11:25Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Titus 1:12Hoy ny anankiray amin’ ireny, izay mpaminany teo aminy: “Mpandainga mandrakariva ny Kretana, biby ratsy, kamo be tenda”.